Fiompiana: fanamby ny fitadiavana vahaolana eto an-toerana

“Na dia mitombo aza ny famokarana noho ny fampio­fanana omen’ny matihanina amin’ny sehatry ny fiompiana, dia mbola tsy ampy ny tolotra sy famatsiana hamaliana ny tinady”. Anisan’ny hevitra nivoitra io nandritra ny Foire de l’élevage et de la production animale (Fepa), andiany faha-16, ny 25 hatramin’ny 28 avrily teo, teny amin’ny MPE Nanisana. “Mbola fanamby lehibe no atrehin’ny sehatry ny fiompiana eto Madagasikara na eo aza ny ezaka atao amin’ ny fampitomboana ny vokatra sy ny fitakiana mitombo hatrany amin’ny tsenan’ny vokatra sakafo avy amin’ny biby fiompy”, hoy ny fanamarihan’ny filohan’ ny filankevi-pitantanan’ny MPE, Andrianaivo Jao. Mano­loana ireo ahiahy ireo, niantso ny tomponandraikitra ity mpan­draharaha matihanina ity mba hamolavola politikam-pampandrosoana hanamafisana ny famokarana akora ilaina, toy ny katsaka sy soja…. Hampi­hena ny vidin’ny famokarana ho an’ny mpiompy izany paikady izany ka hampitombo ny famatsiana eny an-tsena. Na­nome sehatra ireo mpiompy efa za-draharaha sy izay ma­niry hiompy ny Fepa. Anisan’ ny nanome torohevitra azo hampiharina sy fanohanana ara-bola, ohatra, ny Tahirim-pirenena momba ny fiompiana (FEL) sy ny minisiteran’ny Fam­bolena sy ny fiompiana (Minae). Nizara ny traikefany ihany koa ireo manam-pahaizana manokana amin’ny fiompiana. Nanolotra vahaolana koa ny orinasa matihanina sy vao misandratra amin’ny fanodinana sakafo sy ny famokarana avy amin’ny fiompiana.

Henintsoa H.

Partager sur: