Hotanterahina anio sy rahampitso, ny lalao manasa-dalana mandroso amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa “Ligue des Champions 2024”, taranja baolina kitra. Ny ekipan’ ny Paris Saint Germain (PSG) Frantsa, klioba roa avy ao Allemagne, ny Dortmund sy Bayern, ary ny Real Madrid Espagne no nahazo ny tapakila hiatrika izany.
Anisan’ny lalao tena andrasan’ny rehetra anio, ny fihaonan’ny Bayern de Munich sy ny Real Madrid. Fihaonana izay hotontosaina ao amin’ny Kianja Allianz Arena Allemagne.
Tsiahivina fa mbola manala vela amin-dry zareo Madriliena ny bavarois amin’ity fifanandrinana ity. Ny taona 2018, nahintsan’ny Real teo amin’ny manasa-dalan’ny LDC ny Bayern. Ny LDC sisa no fanantenana farany ho an’ny Bayern mba hisorohana ny taona fotsy, nandritra ity taom-pilalaovana ity. Ny alarobia 8 mey ho avy io no hampiantrano ny fihaonan’ny roa tonta, miverina, ny Real Madrid.
Ankoatra izay, hotontosaina rahampitso, any Allemagne ihany, ny fihaonan’ny Dortmund sy ny Paris Saint Germain (PSG).
Fitia Randria