Miisa 8 ny ampahan’ny asa ataon’ny tetikasa Produir amin’ny lakandrano C3, mitotaly 6 km. Miainga eny amin’ny fanangonan-drano eny Anosibe, ny lakandrano C3, ny fokontany Anjezika, Cenam.
Nahita ny fiovana goavana sy ny fivoarana ny mponina eny amin’ny III G Hangar. Efa saika nihotsaka ny sisin-tatatra amin’ny lakandrano C3. Efa tafarina hatrany amin’ny 90% izany, ankehitriny. Mandeha koa ny fanomanana ny fanalana ny fotaka sy ny fiarovana ny sisiny, izay hatao mahaleo tena. Ao anatin’izany ny fandravonana sy ny fanadiovana azy. Raha ny fitambaran’ny asa, vita ny 15% amin’ity ampahany 6 km tanterahin’ny tetikasa Produir ity.
Manamora ny fanalana ny fotaka izay hanomboka tsy ho ela ny asa natao amin’ny C3. Nilaza ny mpandrindra ny asa ao amin’ny Produir, Rakotovao Zoliarisoa, fa « kely ny ambana rehefa napetraka ny rindrin’ny sisin-tatatra, izay natao vato, mialoha ny hanalana ny fotaka. Sady miaro ny fotodrafitrasa efa misy rahateo izany ».
Mahazo asa ny mponina
Mihazakazaka ny fizotry ny asa eny amin’ny dobo fanangonan-drano amin’ny sisiny havia sy havanana eny Anosibe, Anosibe Mandrangobato I sy II, Ambohibarikely ary andrefan’i Mananjara. Mandeha ny fanarenana ny ampahany eny Ankasina. « Tena mahatsiaro voakasiky ny tetikasa ny mponina eny an-toerana, ka tsy sarotra ny nanao ny asa », hoy ihany Rakotovao Zoliarisoa. Misy amin’izy ireo no miasa an-tselika amin’ny tetikasa eny ifotony, izay manodidina ny 5 hatramin’ny 10% amin’ny mpiasa tsotra. Anisan’ny asa atao ny fananganana ny sisin’ ny lakandrano, natao vato sy simenitra. Lasa mafy tanteraka ny fotodrafitrasa, tsy mihetsika ary tsy atahorana intsony ny hihotsahany.
Hiditra amin’ny ampahany manaraka indray ny asa atsy aoriana kely, ny eo amin’ny tetezan’Isotry sy ny manoloana ny tobin-tsolika Jovena etsy 67 ha.
Njaka Andriantefiarinesy