Nirefodrefotra indray ny grenady lakrimozena teny Vontovorona nandritra ny fihetsiketsehana nataon’ireo mpianatra, afakomaly. Tsy nifankahitana ihany koa ny tora-bato sy tapa-biriky. Teo koa ny fandorana kodiarana. Niparitaka manerana ny lalana ny tapa-biriky sy vato ary siniben-drano iray. Mpianatra iray naratra nandritra ny fifandonana teo amin’ny mpianatry ny politeknika sy ny mpitandro filaminana. Nanamafy ireo mpianatra fa tsy hijanona ny fitokonana raha tsy mivaly ny fitakian’izy ireo. Araka ny fanazavan’ny filohan’ny fikambanan’ny mpianatra eny Vontovorona, Hajalalaina Stéphano Aristide, mitaky ny hamoahana ny vatsim-pianarana dimy volana miampy ny fampitaovana izy ireo. Takin’izy ireo ny hampiakarana avo roa heny ny vatsim-pianarana satria efa tsy mifanaraka
amin’ny filan’ny mpianatra amin’izao fotoana intsony izany.
« Hitohy ny fitakiana… », hoy ireo mpianatra
Eo koa ny fanatsarana ny fotodrafitrasa sy ny kalitaon’ny fampianarana. «Volana maromaro izy ireo no efa nianatra kanefa vatsim-pianarana telo volana sy fampitaovana anefa no kasain’ireo tomponandraikitra havoaka. Tsy manaiky izany anefa izahay », hoy hatrany ny fanazavan’ny filohan’ny mpianatra. Nohamafisiny fa vatsim-pianarana dimy volana, araka ny andro nidiran’izy ireo nianatra no tokony homena azy ireo. Toeram-panofanana mpianatra ho teknisianina ambony anefa ny eny Vontovorona saingy tao anatin’ ny 50 taona, tsy nisy fanamboarana mihitsy ny fotodrafitrasa ampiasain’ireo mpianatra. « Efa may ny bloc, tapaka lava ny jiro sy rano na mianatra na tsy mianatra ny mpianatra. Takinay ny hanatsarana ny wifi. Mitohy ny tolona raha tsy misy valinteny matotra avy amin’ny mpitondra fanjakana », hoy hatrany ireo mpianatra.
Jean Claude