Hanao hetsika « opération coup de poing » ny tomponandraikitry ny minisiteran’ny Asa sy ny fampananana asa ary ny asam-panjakana manomboka anio. Hiompana amin’ny fampiharana ny karama farany ambany nofaritan’ny fanjakana izany. « Didim-panjakana efa nivoaka io ary mihatra amin’ny orinasa rehetra eto Madagasikara », hoy ny minisitra tomponandraikitra, Razakaboana Hanitra.
Zava-dehibe ny fampiharana lalàna. Hamafisina ny fanentanana sy ny fandresehan-dahatra ny mpitantana orinasa hanaraka ny lalàna. Hisy ny fitsirihana tampoka sy ny fanaraha-maso tsy tapaka. Aorian’ny fitsirihana tampoka, miverina mijery ny fivoarana ny tomponandraikitry ny minisitera raha nanaraka ny toromarika izy ireo. Rehefa tapitra ny fe-potoan’ny fanentanana, miditra amin’ny fanasaziana ny fanjakana. Nisy tamin’ireo mpampiasa amin’ny sehatra tsy miankina no nanambara fa tsy zakan’izy ireo ny karama farany ambany 262 680 Ar.
Hetsika faharoa ny fampidirana ny mpiasa rehetra anatin’ny sehatra manara-drafitrasa. “Hitarina ny fiahiana sosialy ho an’ny sehatra tsy manara-penitra. 90% ny mpiasa misehatra amin’ny asa no tsy manara-penitra avokoa”, araka ny fanazavany ihany.
Lalana iray hivoahana amin’ny fahantrana ny fitsinjovana ny fiahiana ny mpiasa miahy tena.
Vonjy