LALAM-PIRENENA FAHA 13: atao ora 2 ny lalana Taolagnaro-Ambovombe

Vita hatrany amin’ny ampatahatelony ny fanarenana ny lalam-pirenena RN 13, amin’ny ampahany Taolag­naro sy Ambovombe. Mano­hana ny fanamboarana izany ny Vondrona eoropeanina (UE). Nijery ny fizotry ny asa ataon’ny orinasa Colas ny minisitry ny Asa vaventy, kolonely Andrianatrehina Ndriami­haja, ny herinandro lasa teo. Mahatratra 58 km ny lalana naravona, 17 km ny efa norakofana godirao. Efa misy fiantraikany sahady amin’ny fampiasana ny lalana izany satria atao ao anatin’ny adiny 2 ora, ankehitriny, ny lalana Taolag­naro hatrany Ambovombe, mirefy 103 km.
Misasaka ny asa amin’ ny RN 12 A
Nitohy tany amin’ny fa­namboarana ny lalana RN 12 A, tapany voalohany (Taolag­naro-Ebakika), mirefy 45 km ny dian’ny minisitra. Ao anatin’ny tetikasa Pact, vatsian’ny Banky iraisam-pirenena ara-bola, ny fandrakofana godirao ny tapany faharoa (Somisika – Masianaka), mirefy 35 km. Miisa 57 ny tetezana kely (dalots) hamboarina miampy ny tetezana Ambo­enato, mirefy 110 metatra. Efa misasaka ny asa amin’ny ankapobeny, izay ho vitaina amin’ny marsa 2025. An­koatra izay, efa vita ny tetezana Manambondro, mirefy 220 metatra. Mana­tanteraka ireo asa ireo ny orinasa Consor­tium WIETC-SDLQ.

Njaka A.

Partager sur: