Maestro Loka : sangany amin’ny fitendrena gitara flamenca

Luc Olivier Ratovo na i Loka. Iray amin’ireo Malagasy andrarezina amin’ny fitendrena gitara. Nisafidy manokana ny hilalao sy handalina momba ny gitara flamenca… Nandia lalan-davitra vao tonga eo amin’ny toerana misy azy ankehitriny.

Mpampianatra mpikaroka momba ny mozika. Mpamorona feon-kira sady mpitendry gitara. Tera­tany malagasy sangany amin’ny fitendrena ny gitara flamenca, amin’izao vanim-potoana izao. Nandritra ny alim-pikoranana iray no nahitana fa andrarezina amin’ny fitendrena gitara ny Maestro Loka na i Luc Olivier Ratovo. Samy niaiky ireo rehetra nanatrika fa voafehiny tanteraka ny gitara. Nitolagaga avokoa izay nahita ny fahaizany mitendry ny « flamenco ».
Fantatra tamin’izany fa nahavita fianarana ambony (Conservatoire) momba ny fitendrena gitara flamenca hilalaovana ny flamenco, izy. Efa mihoatra ny 45 taona no nitendren’ny Maestro Loka ny gitara. Karazan-gadona na hira maro no voafehiny tao anatin’io fotoana io. Ankoatra ny flamenco, ao ihany koa ny klasika sy ny fitendry malagasy. Samy nanaovany fandalinana rahateo ireo rehetra ireo.
Mpianatry Randafison Sylvestre
Nanana fifandraisana akai­­ky tamin-dRandafison Syl­vestre ihany koa ny Maestro Loka. « Mpianatry Randafison Sylvestre aho. Notsofiny rano hamelona indray ny hiran’ny tarika Ny Antsaly. Mba ahafahana ma­natanteraka io hafatra io, natsangana ny tarika Za­nak’An­tsaly », hoy i Luc Olivier Ratovo. Na havanana sy manana mari-pahaizana am­bony momba ny « flamenco » aza izy, anisan’ireo mpampianatra mpikaroka tsy mba manadino ny maha Malagasy azy. Hainy tsara ny mitendry ny valiha.
Amin’ny maha mpampianatra mpikaroka ny Maestro Loka, maro ireo hira na feon-kira efa nataony sorapeo na naoty. Nomeny lanja lehibe amin’izany ny hira malagasy manerana an’i Madagasikara. Nohamafisiny fa hoentiny ha­nandratana ny maha Mala­gasy ny talentany sy ny fianarana norantoviny tany amin’ny Conservatoire. Tia mampianatra sy mampita fahalalana rahateo ny Maestro Loka.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: