Aiza ho aiza ny vahoaka amin’izao fifidianana depiote izao? Maneho ny fijeriny ny mpitondra tenin’ny Sampana anaraha-maso ny fifidianana, ivon’ny demokrasia ifarimbonana (Safidy), Razanamahefa Désirée Marie Stella: “Mahaiza manao safidy voahevitra. Lafo be izay safidy izay matoa ry zareo kandidà mandany vola aman-karena sy mandambolambo.” Dinidinika…
Gazety Taratra (*): Olona toy inona no tokony hofidin’ ny vahoaka ho depiote?
Razanamahefa Désirée Marie Stella (-): Miandraikitra lalàna ny depiote: famolavolana tolo-dalàna, fandaniana volavolan-dalàna… Amin’izany no hijerena izay lalàna mila fanavaozana haingana na hatsaraina. Izay mijery tamberin’andraikitra amin’izany no tokony hofidina. Ny niainana hatramin’izay: manao fampanantenana ry zareo amin’ny fampielezan-kevitra. Matetika, rehefa mafanafana ny politika ao Tsimbazaza vao hanao tatitra amin’ny vahoaka dia hoe tsy mahazo fahazoan-dalana. Tsy tokony hiandry an’izay, fa mba hisy fihaonana ara-potoana: mialoha ny hitondrany ny feon’ny vahoaka amin’ny asan’ny mpanatanteraka; aorian’izay, ny fanaovana tatitra amin’ny vahoaka izay nivoriana teny amin’ny Antenimierampirenana. Tokony hotakin’ny vahoaka mandritra ny fampielezan-kevitra izay: manome toky ny vahoaka ireo kandidà fa hanao fakan-kevitra mialoha ny fivoriana ary manao tatitra aorian’ny fivoriana fa tsy miandry raharaha mafampana.
* Inona no tokony hataon’ny vahoaka manoloana ny hetsiky ny kandidà amin’izao?
– Zava-dehibe ny fanarahana ny fampielezan-kevitr’ireo kandidà rehetra. Mahaiza manao safidy voahevitra sy maka lesona amin’ny zava-nisy teo aloha: ireo mampanantena sy manao fihetsiketsehana, vao sambany ve izany sa efa fanaony? Mendrika ny fitokisan’ny vahoaka ve? Na efa voafidy teo aloha na mbola vaovao… Olona avy amin’ny fiarahamonina ihany izy ireo, ka tokony ho fantatry ny olom-pirenena. Mila fantarina koa ireo kandidà mpisolo toerana: mendrika ny fitokisan’ny vahoaka ve? Misy ny fizarana zavatra amin’izao, misy olona miteny hoe: “Amin’ny fampielezan-kevitra ihany izahay no mba mihinana ny volam-panjakana. Aleo mba handray fa amin’izay vao hitan-dry zareo”. Fantatry ny olona hoe misy ny tsy rariny. Indraindray koa isika manaiky an’izay hoe tsy maninona fa amin’ny dimy taona indray ny fihaonana fa mihinana aloha izao. Mahaiza manao safidy voahevitra. Lafo be izay safidy izay matoa ry zareo mandany vola aman-karena sy mandambolambo.
Nangonin’i R. Nd.