Ny taona 2003 no nahita masoandro ny tarika Fakr (Fusion Alternative Kaiamba Rock) Mampiavaka ny tarika ilay feo manana tanjaka manaraka ny fenitry ny kanto sy ny tononkira mora raisina. Fandrindrana ny mozika amin’ ny fomba tsotra nefa tsy mety lefy laza. Vokany, tsy manavaka sokajin-taona ny fankafizana ny sanganasan’ny tarika Fakr mandraka ankehitriny.
«Ela niandrasana ny mpankafy amin’ny fiverenana an-tsehatra sy izay ho tohin’ny tantaran’ny Fakr», hoy i Mirija. Ny zoma 10 mey, hanomboka amin’ny 7 ora sy sasany hariva, etsy amin’ny Santilo Anosizato Andrefana, no hiaka-tsehatra, amin’ny endrika «cabaret» hisalotra ny anarana : «Avy am’zay !» ny tarika Fakr amin’ny endriny feno. Ankoatra ny fivazoana ireo sanganasan’izy ireo tahaka ny «Rakrisy», «Bavy tsy foy», «Kôzy milay» sy ireo hira vao, toy ny «Vazo mitaraina», «Tsiahy», sns, hindrana ny vazon’ireo mpanakanto malagasy sy vahiny ihany koa izy ireo.
Eo andalam-piketrehana ny famokarana ny rakitsary sy feo andiany fahatelo ankehitriny ny tarika Fakr.
HaRy Razafindrakoto