Avy niandry faty: lehilahy noleran’ny namany antsy

Namoy ny ainy voatsatok’ antsy ny lehilahy iray avy niandry faty niaraka tamin’ny namany tao Fenoarivobe. Voasambotra ny nahavanon-doza

Namoy ny ainy notsatohan’ny namany roa lahy antsy ny lehilahy iray 30 taona tao Ankotrabe, kaominina Fenoarivobe, ny alin’ny 29 avrily teo. Nisy fahoriana tao amin’io tanàna io ka niandry faty niaraka tamin’ireo namany sady mpiray tanàna aminy ireo io lehilahy io. Niara-nisotrosotro izy ireo.  Nanomboka niaka-peo ireo vatan-dehilahy ireo rehefa nisy ny adihevitra tsy nifankazahoana. Niafara tamin’ny ady sy fifampikasihan-tanana iza­ny. Nifampitana tamin’ny roa lahy izay mpirahalahy io lehilahy 30 taona io. Nampiasa tanam-polo ity farany. Ni­tondra zava-maranitra anefa ireo roa lahy niady taminy. Notrobaran’iray teo amin’ny ilan-kibony havanana izy ka lavo.

Nifamonjena
Tsy nahatsiaro tena, nentin’ireo mponina manodidina namonjy ny CSBII Ankotrabe avy hatrany io lehilahy 30 taona voatsindrona antsy io. Niezaka namelona azy ny mpitsabo. Nakarina nihazo ny CHRD Fenoarivobe izy noho ny fahasarotan’ny toe-draharaha. Voatery nodidiana taorian’ io fahavoazany io kinanjo tsy tana intsony ny ainy. Poa toy izay, nitsoaka nandositra ireo roa lahy nahavanon-doza. Noka­rohin’ny zandary izy ireo ka tratra tamin’io alina io ny iray. Nohazonina atao famotorana lalina ao amin’ny biraon’ny zandarimaria ao an-toerana ilay voasambotra. Mitohy ny fitadiavana ny rahalahin’ity farany. Efa am-pelatanan’ny fianakaviany ilay namoy ny ainy.

Tsiferana R.

Partager sur: