Afaka andro vitsy, hiatrika lalao Beach Soccer indray ny mpankafy baolina kitra malagasy. Natao hamerenana ny lazan’ity taranja ity eto an-toerana izany fifaninanana izany. Hisy ny fitiliana mpilalao handrafitra ny Barea.
Hotanterahina any Antalaha sy Sambava, ny 13 hatramin’ny 19 mey ho avy izao, ny fifaninanana baolina kitra amin’ny torapasika, “Festival Mazavaloha”, andiany voalohany. “Hotolorana lelavola 2 tapitrisa Ariary izay voalohany amin’ity fifanintsanana ity”, hoy i Pontiac Jean Théophan, filohan’ny Beach Soccer eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), omaly, teny Andraharo.
Miisa folo ireo faritra mandray anjara amin’izany. Anisany i Melaky, Boeny, Atsinanana, Atsimo Andreana, Vatovavy Fitovinany, Analanjirofo, Diana, Sava, Anosy.
Araka ny fanazavana nataon’ity lehiben’ny baolina lalaovina amin’ny torapasika ity, natao hamerenana indray ny lazan’ny taranja eto Madagasikara ity lalao ity.
Tsiahivina fa efa voahosotra ho tompondakan’i Afrika, Can 2015, i Madagasikara, tany Seychelles. Efa niatrika ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany ny taona 2015 ihany koa, tany Portugal. Ankoatra izay, tsara ny mampahafantatra fa hisy ny fampiofanana mpitsara any an-toerana. Olona avy amin’ny Fifa no hizara ny traikefa amin’izany, manomboka ny 10 – 14 mey.
Tsara ny mampahatsiahy fa hatao ny volana jona ho avy io, any Manakara, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara 2024. Aorian’ity fifanintsanana nasionaly ity, hiditra amin’ny andiany faharoa amin’ny “Festival Beach Soccer” indray ny FMF.
Nambaran-dRasoanaivo Rado, tale teknika nasionalin’ ny FMF fa hisy ny fitiliana mpilalao mandritra ny hetsika any an-toerana. Handrafitra ny ekipam-pirenena Barea izay voatily amin’izany, tanjona ny handraisan’i Madagasikara anjara amin’ny “Can 2024” sy ny “Mondial 2025”.
Fitia Randria