Behenjy : hamokatra herinaratra avy amin’ny tohodrano

Notokanan’ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry, omaly, ny toby mamatsy herinaratra avy amin’ny tohodrano ao Behenjy. Tanjona ny hampiroboroboana ny angovo azo havaozina.

Manana tanjaka 1,4 MW ity toby ity, mamokatra herinaratra 900 000 Kwh isam-bolana, avy amin’ny reniranon’Andromba, Behen­jy, naorina ny taona 2015. Mitantana azy ny orinasa Hydromado. Mamatsy olona 700 ao anaty fokontany roa, Amboasary sy Morarano, miampy ny toeram-pitsaboana sy ny sekoly. «Hitan’ny rehetra ny fahombiazan’ny fiaraha-miasa eo amin’ny fanjakana sy ny tsy miankina, mahavita fotodrafitrasa lehibe toy izao, sady mitondra fampandrosoana», hoy ny filoham-pirenena.
Nilaza ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo, Jean Bapiste Olivier, fa hisy ampahany amin’ny vokatra hamatsiana ny Tambajotra iraisan’ Antananarivo (RIA).
Nangataka ny hamatsiana herinaratra ihany koa ny fokontany hafa, ao anatin’ny kaominina Behenjy. Vaha­olana naroson’ny filoham-pirenena ny fampidiran-jiro isan-tokantrano ao anatin’ny tetikasa «Jiro Mora». Tsy mandoa ny kojakoja ilaina ny mpanjifa, afa-tsy ny saran’ny kaontera, 30 000 Ar monja.
Ho hampiasaina ny karinem-pokontany vaovao misy fanatsarana QR, entina hizarana ny jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro, ho an’ny fokontany hafa any Behenjy.

Nomen’Andriamanitra fahasoavana
Mampihena ny fampiasana solika ny angovo azo havaozina. Notsipihin’ny filoha Rajoelina, fa nomen’Andria­manitra fahasoavana, toy ny rano, ny masoandro, ny rivotra isika. Efa mandeha ny fametrahana toby mamokatra herinaratra avy amin’ny ma­soandro manerana ny distrika 47. Notokanana ny herinandro lasa teo ny toby mamokatra angovo avy amin’ny masoandro any Taolagnaro iarahana amin’ny orinasa QMM. No­santarina koa ny asa hananganana toby mamokatra herinaratra avy amin’ny rivotra lehibe indrindra eto amintsika, any Taolagnaro ihany koa.

Lin sy Njaka A.

Partager sur: