“Coupe du monde de Slam Poèsie”: Santa sy System D no hisolontena an’i Madagasikara

Anisan’ny haikanto vahiny, nefa manomboka mahazo laka eto Madagasikara, ny “Slam poèsie”. Ankoatra ireo fifaninanana anatiny maro, izay fototr’izany firoboroboana izany, efa mivelatra amin’ny any ivelany ihany koa ny mpiangaly “Slam poèsie” eto an-toerana.

Tontosa omaly, teny amin’ ny Institut français de Madagascar (IFM) Ana­la­kely, ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety, nampahafantarana ireo delegasionina ma­lagasy hiatrika ny fiadiana ny amboara maneran-tany eo amin’ity haikanto ity. Santa, izay tompondakan’i Madagasi­kara, nandritra ny «Slam National 2023», no hisolotena an’i Madagasikara mandritra izany fifaninanana iraisam-pirenena izany. Hanotrona azy kosa i System D, amin’ny maha komitin’ny «Slam national” azy. Tsiahivina fa ny 6 hatramin’ny 12 mey 2024, ao Belleville Paris, no hanatanterahina izany fiadina ny amboara maneran-tany, eo amin’ny “Slam poésie” izany.

Sahala amin’isan-taona manana solontena amin’ny fiadiana ny amboara maneran-tany, eo amin’ny “Slam poèsie”, i Madagasikara. Ny 7 mey 2024 i Santa no hiaka-tsehatra. Anisan’ny miray vondrona amintsika ao anatin’izany fifaninanana izany i Gabon, Mali, France ary Congo. Hanatanteraka fitetezam-paritra ao Allemagne izy mirahalahy ireto, vantany vao vita ny fiadiana ny fifaninanana.

Tsiahivina fa anisan’ny anton-dian’ ireto solontenan’i Madagasikara ireto any koa ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny mpiangaly “Slam poèsie” any an-toerana.
Fifaninanana anatiny
Anisan’ny fifaninanana anatiny, akaiky indrindra, ny “Slam National Scolaire 2024”(SNS 2024). Tanàn-dehibe fito no hifaninana ho an’ny “SNS 2024”, ahitana an’Antananarivo, Antsirabe, Antsiranana, Mahajanga, Toamasina, Fianarantsoa ary Toliara. Ity fifaninanana ity izay natokana ho an’ny mpianatra eny amin’ ny ambaratonga voalohany, eny amin’ny sekolim-panjakana. Marihina fa efa manomboka ny fifaninanana hamaritana izay ho solontenan’ny tanàna tsirairay, amin’izao fotoana.

Lin

Partager sur: