14 500 ny isan’ny mpampivelona misoratra amin’ny lisitry ny Holafitry ny mpampivelona hatramin’ny volana mey taona 2023, araka ny nambaran’ny filohan’ny Holafitra, Ranoromalala Oméga. Manodidina ny 6 000 no misehatra mikarakara amin’ny fananahana ara-pahasalamana. Rasazy telo mikarakara vahoaka 10 000, raha tokony ho misahana olona 5 000 ny mpampivelona iray, araka ny fenitry ny Sampandraharahan’ny Firenena mikambana momba ny fahasalamana (OMS). Tsy mbola ampy ny rasazy am-perinasa eto amintsika nefa anisan’ny miantoka ny fampihenana ny isan’ny vehivavy maty mandritra ny vohoka na koa eo am-piterahana izy ireny. Eto amintsika, vehivavy 10 isan’andro mamoy ny ainy noho ny fahasarotana mandritra ny vohoka sy ny fiterahana ka ny telo amin’izy ireo latsaky ny 19 taona avokoa. Antony, 40% amin’ny vehivavy mitondra vohoka no tonga miteraka eny amin’ny tobim-pahasalamana manana mpiasa voaofana handray an-tanana azy ireo. Ny ambiny manatona renin-jaza na olon-kafa tsy nahazo fiofanana momba ny fikarakarana ny fiterahana akory. Ny fisafoana eny amin’ny toeram-pitsaboana koa no manampy amin’ny fisorohana ny aretina mamany lava (vokatry ny faharovitan’ny lalan-jaza) hitiliana raha mila fandidiana ilay vehivavy mitondra vohoka eo am-piterahana.
4 000 isan-taona ny tranga vaovao amin’ny aretina mamany lava miseho eto amintsika izay tsy misy fanafana ankoatra ny fandidiana ihany.
Vonjy