Fandaharanasa PAYLP 2024 : tanora telo mianadahy nahavita fiofanana

Nahavita ny programa narahin’izy ireo tany Etazonia, nandritra ny fandaharanasa “Pan Africa Youth Leadership Program” (PAYLP 2024), ireo Malagasy 3 mianadahy.
Nahazo fiofanana momba ny fahaiza-mitarika, nifanakalo traikefa tamin’ny tanora Afrikanina hafa ary nihaona tamina tomponandraiki-panjakana Amerikanina izy ireo, niaraka tamin’ny mpanao tantsoroka.
Nandray anjara tamin’ny hetsika fifanakalozana ara-kolontsaina sy nianatra bebe kokoa momba ny fahasamihafana ara-kolontsaina manerana izao tontolo izao ihany koa izy telo mianadahy.
Nohamafisin’ireo mpandray anjara fa traikefa nanova fiainana ity programa ity satria nahafahana nanita-pahalalana, nahafantatra karazana kolontsaina maro, ary nikolokolo ny faniriana hitondra fiovana eo amin’ny fiarahamonina sy ny firenena iaviany avy. “Nahazoanay namana vaovao sy nianatra ny kolontsaina mampiavaka ireo mpandray anjara amin’ny firenena Afrikanina samihafa ity fiofanana ity”, hoy hatrany izy ireo. Nankasitraka ny fahavitrihana ananan’ireto tanora ireto ny avy ao amin’ny masoivoho Amerikanina.

Tatiana A

Partager sur: