Nampahafantarina, ny talata teo, teny Anosy, ny tranonkalan’ny vavahadin-tserasera momba ny varotra, Portail d’informations commerciales de Madagascar (PICM). Hanampy ny mpandraharaha, mpivarotra, tantsaha mpamokatra, ny kaoperativa mpianatra sy mpikaroka ary ny sarambabem-bahoaka izany. Ampy ahazoana ireo antontan-taratasy samihafa, toy ny fangatahana torolalana momba ny varotra ny fidirana amin’ny rohy www.pic.commerce.mg. Ahafahana mameno ireo antontan-taratasy koa, toy ny fangatahana alalana hanondrana vokatra any ivelany, anatin’ny mangarahara tanteraka ny PICM. Hita ao amin’ity vavahadin-tserasera momba ny varotra ity ny torolalana amin’ny fananganana orinasa kaoperativa, izay efa afaka mandraharaha ara-barotra. Tapitra hatreo ny famokarana fanao teo aloha ka afaka miroso amin’ny fandraharahana ny kaoperativa. Ankoatra izay, ho hita ao anatin’ny rohy ihany koa ny vaovao rehetra momba ny fanatanterahana ny tetikasa ODOF, ka ahafahan’ireo mpandraharaha liana hitantana ny taninketsa indostrialy misoratra anarana. Hanafoana ny kolikoly ny fametrahana ny PICM, hampihena ny fotoana sy ny vola lany amin’ny fanaovana raharaha ara-barotra ihany koa ny vavahadin-tserasera.
Henintsoa Hani