Hotanterahina etsy amin’ ny efitrano Hakanto Contemporary Ankadimbahoaka, ny 4 mey hatramin’ny 26 Oktobra izao, ny fampirantiana andiany faha-10. Hetsika hanomezan-danja ny sary manan-tantara nandritra ny fotoana niasan-dRakotoseheno Daniel na i Dany be, mpanao gazety sady mpaka sary.
“Nosafidiana i Dany be satria olona tena anisan’ny manana ny maha izy azy eo amin’ny tantaran’ny sary sy ny asa fanaovan-gazety izy”, hoy i Rina Ralay-Ranaivo, mpitantana sy mpandrindra ny fampirantiana. Teo anelanelan’ny 1959 hatramin’ny 1990 izy no tena niasa teo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety sy ny fakana sary. “Anisan’ny manana tahirin-tsary betsaka nandritra ny vanim-potoana lehibe nolalovan’ny firenena sy ny tantaram-piainan’ny Malagasy nisy tamin’izany andro izany ihany koa izy io ka antony nisafidianana azy”, hoy hatrany izy. Voakasik’izany avokoa ny sehatra rehetra, na teo amin’ ny lafiny politika, na sosialy na kolontsaina… Manodidina ny 5 000 ny tahirin-tsary nananan’ity mpanao gazety ity. Nosafidiana haranty mandritra ny hetsika ny sary 127 amin’ izy ireo. Teo anelanelan’ny taona 1960 hatramin’ny 1990 no tena nahafantarana an’i Dany be. Tsiahivina fa maty tamin’ny taona 2021 izy. “Dany be, what a wonderful world”, io ny lohateny nampitondraina ny hetsika. Nifanandrify tamin’ny lohantenin-kira nankafizin’ity mpanao gazety ity.
Mino