Naratra mafy ny mpivady tompona trano fivarotana iray nandritra ny fanafihan-jiolahy tao Ambohinaorina, fokontany Manakambahiny, kaominina ambanivohitr’Anosiala, distrikan’Ambohidratrimo, afakomaly tamin’ny 11 ora alina. Nosokirin’ireo jiolahy tamin’ny baraminina ny varavarana, tamin’io alina io, ka tafiditra tao an-trano ry zalahy. Tsy nisy resaka fa daroka avy hatrany no nahazo azy mivady tompon-trano raha vantany vao tafiditra ny trano ireo olon-dratsy. Lasan’ireo mpanafika nandritra ny fanafihana ny vola 250 000Ar tao an-trano. Na teo aza anefa izany, tsy nanaiky lembenana ireo niharam-boina fa afaka niantso vonjy. Vory lanona ny fokonolona teo an-tanàna. Nandritra izany kosa, tafaporitsaka ireo olon-dratsy niaraka tamin’ny vola. Nahazo antso avy amin’ny fianakavian’ny niharam-boina ihany koa ny zandary ao amin’ny tobim-paritra Ambohidratrimo. Nidina teny an-toerana avy hatrany ny zandary nanao ny fanadihadiana sy nijery ny zava-nisy. Niroso tamin’ny fametrahana sakana sy ny fisavana ny manodidina rehetra ny zandary, taorian’izay. Nahita vodim-bala roa efa nipoaka, calibre 12, ireo zandary. Mitohy, araka izany, ny fikarohana ataon’ny zandary.
J.C