Madagascar Airlines : hojerena ny olan’ny sidina

Andrasana ho avy ny volana jolay sy septambra izao ireo fiaramanidina roa hafa hanampy isa ireo roa am-perinasa izay ampiasain’ny kaompania Madagascar Airlines. Miara-miasa ny rafi-panjakana sy ny sehatra tsy miankina amin’ny fanarenana ny kaompania. Jerena ao anatin’izany ny fomba hahafahan’ny Madagascar Airlines handray mpizahatany. Tsy ho ela rahateo dia hiditra ao anatin’ny vanim-potoana mahabetsaka mpizahatany isika. Noho izany, miezaka mitady vahaolana manoloana ny zava-misy ny sehatra samihafa. Tafiditra ao anatin’ny drafi-panarenana, Phénix 2030, ny fampitomboana isa ny fiaramanidina hampiasaina.
Ankoatra izay, hitadiavana vahaolana ny mahakasika ny fahalafosan’ny tapakila ho an’ireo mpandraharaha sy mpisehatra amin’ny fizahantany ho avy eto Madagasikara mandritra ny Hetsika iraisam-pirenena momba ny fizahantany (ITM) sy ny asa tanana (IHM) «Tanjona ny hanomezan’ireo kaompania rehetra amin’ny vidiny mirary ny takapila ho an’ireo mpandraharaha avy any ivelany mihazo an’i Madagasikara mandritra ny hetsika», hoy ny minisitry ny Fizahantany sy ny asa tanana, Randriamandranto Joël, omaly, teny amin’ny CCI Ivato.
Tsiahivina fa hampitomboina efatra ireo fiaramanidina ATR hanao ny sidina anatin’ny kaompania Madagascar Airlines. Heverina hanarenana sy hampidi-bola ho an’ny kaompania ho amin’ny taona 2025 izao tetikasa izao sy hiomanany sahady amin’ny sidina iraisam-pirenena vinavinaina hiverina ny volana avrily 2026.

Henintsoa H.

Partager sur: