Ny alatsinainy lasa teo ny Andro maneran-tany ho an’ny dihy. Fotoana izay nahafahan’ireo mpandihy sasantsasany nitafa tamin’ireo tomponandraikitry ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera izany. Nivoaka tamin’io, fa hatao rahampitso sabotsy 4 mey ny fankalazana. Hisy, araka izany, ny fampisehoana dihy, izay hatao eo amin’ny Kianjan’ny Hiragasy ao Ampefiloha. Hitohy amin’ny “Flash mob”, eo an-tokotanin’ny Tranombokim-pirenana izany, avy eo fampisehoana ao amin’ny Havoria Anosy.
Tsy fampialana voly ho an’ny maso fotsiny, fa mba ho zavakanto hampidi-bola ho an’ireo matihanina koa ny dihy. Anisan’ireo novoizin’ireo mpandihy, nandritra ny dinika io. Mazava ny valinteny sy ny torolalana avy amin’ny tomponandraikitra: mila manaraka ireo fenitra maro takin’ny tsena, na eto an-toerana na any ivelany, ireo mpanakanto. Antony iray hiadina mafy mba hahavitana ilay sata mifehy ny mpanakanto izany. Mila mahay mivarotra ny talentany koa ny mpanakanto fa tsy voatery miankina amina trano koltoraly, na fikambanana isan-karazany.
Zo ny Aina