SOMBIM-BAOVAO

Efa nigadona, omaly, teny Ivato avokoa ny delegasionin’ireo firenena telo mandray anjara amin’ny «Can 2024», taranja Rugby lalaovin’olona 15, sokajy vehivavy. Tsiahivina fa hatao manomboka rahampitso, eny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka ity fifaninanana Afrikanina ity.
Hotontosaina ny alahady ho avy izao,
eny Ambohimanga, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja Moto, Enduro. Tsiahivina fa azon’Andrianirina Andy ny fandresena nandritra ny dingana voalohan’ny fifanintsanana izay natao tany Imerimandroso Ivato, ny 21 avrily lasa teo.
Nosazian’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), tsy mahazo milalao, mandritra ny roa taona, i Joma, mpiandry haraton’ny Fosa Junior Boeny. Manoloana izany, namoaka fanambarana ny lehiben’ny Fosa fa tsy manaiky io didy navoakan’ny FMF io raha tsy fantatra mazava ny antony hanasaziana azy. Hampiakatra ny raharahara any amin’ny Fitsarana
avon’ny baolina kitra izy ireo.
Tapitra hatreo ny taom-pilalaovana 2024 ho an’i Lucas Hernandez, frantsay mpilalao baolina kitra, vodilaharana ao amin’ny klioban’ny Paris Saint Germain FC. Araka ny vaovao farany, tapaka ny hozatra eo amin’ny lohaliny. Tsy afaka hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa “Euro 2024”, araka izany, izy.

Partager sur: