Jiolahy raindahiny iray lavon’ny balan’ny polisin’ny UIR tao amin’ny fokontany Ankatsaky, Toliara, omaly maraina. Nanakana Cyclo-pousse ireo olon-dratsy. Ilay mpitandro filaminana nanao fanamiana sivily nefa nitaingina an’io fitaovam-pitaterana io. Nanambana azy sy nikasa handroba ireo jiolahy. Namoaka ny fitaovam-piadiana teny aminy avy hatrany ilay polisy. Raikitra ny fifampitifirana. Nitsoaka nandositra ny iray tamin’ireo mpandroba. Voan’ny bala ny namany ka lavo tamin’ny tany. Nahatrarana fitaovam-piadiana iray teny aminy. Efa mpanendaka ikoizana ao an-toerana ity jiolahy lavo ity. Karohina ilay namany afa-nandositra nandritra ny fifampitifirana.
Tsiferana R.