VAOVAO TAMBATRA

Niaraka namboly hazo honko ny mpisehatra samihafa tany Nosy Be, ny faran’ny herinandro teo. Anisan’izany ny mpiasa ao amin’ny orinasa Logistique pétrolière (LP), ny fikambanan’ny mpanjono, ny avy ao amin’ny Lycée Française, ny CEG Sakatia Nosy Be. Tanjona ny hamerenana amin’ny laoniny ny ala honko, manoloana ny fandringanana azy ireny.

Vita tanteraka ny tetezana roa any Amboroka I sy II, amin’ny lalam-pirenena RN 19. Eo anelanelan’ny distrika Mitsinjo sy Soalala ireo tetezana ireo, simba tato anatin’ny 10 taona mahery. Mirefy 15 metatra ny tetezana iray eo Amboroka I ary 30 metatra ny eo Amboroka II. Nanatanteraka ny asa ny orinasa SMC, tao anatin’ny telo volana.

Tafapetraka amin’ny fomba ofisialy eto amintsika ny orinasa Starlink Madagascar. Mahatratra hatrany amin’ny 22,5 tapitrisa Ar ny renivolan’ity orinasa ity. Hivarotra tolotra momba ny fifandraisan-davitra sady hanome tolotra internet amin’ny alalan’ny zanabolana miaraka amin’ny fitaovana fampiasa mifanaraka amin’izany ny Starlink Madagascar.

Nisokatra nanomboka ny 1 mey teo ny jono
« Sardine » ao amin’ny faritra Sava rehefa nikatona nanomboka ny 8 oktobra 2023. Mahatratra 6 600 kg ny vokatra azo ny alarobia teo. Nihena izany raha oharina tamin’ny taon-dasa izay nahatratra 10 500 kg ny andro voalohany.

Partager sur: