107 ny isan’ny ivontoeram-panofanana mpampivelona eto Madagasikara ary ny enina amin’ireo miorina eny amin’ny renivohi-paritany ary tantanin’ ny fanjakana. Ny ambiny sahanin’ny sehatra tsy miankina avokoa. Misy tetikasa hametraka fandaharam-pianarana iraisan’ny ivontoeram-panofanana rehetra eto amintsika mba ho fahalalana mitovy no azon’ny mpiofana rehetra. Vina koa ny hanatanteraka fanadinana tokana ho an’ny mpianatra rehetra manerana ny Nosy, hanomezana mari-pahaizana, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitry ny fandaharanasa Fananahana ara-pahasalamana sy ny fandrindram-piterahana eo anivon’ny UNFPA, ny dokotera Razanalison Falinirina. Manohana ny famolavolana ny fandaharam-pianarana iraisana ny UNFPA ary efa misy dinidinika momba an’ izay, amin’izao fotoana izao. Miara-miasa amin’ny oniversitem-panjakana enina sy ny ivontoeram-panofanana IFIRP ny famolavolana izany.
Ny Banky iraisam-pirenena no manampy amin’ny fametrahana fanadinana tokana ho an’ny mpianatra rehetra eny anivon’ny sekoly. Amin’izao fotoana izao, mahatratra 55 taona no ho mihoatra ny mpampivelona amperinasa mikarakara ny vehivavy, 5% monja izy ireo fa ny tanora nahavita fiofanana no betsaka. Tokony hampita ny traikefa sy ny fahaiza-manao ireo satria zava-dehibe ny traikefa, indrindra ao anatin’ ny voina.
Vonjy A.