Ho fanatsarana ny fanaraha-maso ny fahalotoan’ny rivotra, misy fiaraha-miasa vaovao eo amin’ny Meteo Madagasikara sy ny vondrona Suez-Transitec-DVDH. Nahazo fitaovam-pandrefesana vaovao hanaraha-maso ny fahalotoan’ny rivotra tafiditra ao anatin’ny tetikasa fandrafetana ny drafitry ny fivezivezena an-tanàn-dehibe maharitra iarahana amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra, ny minisiteran’ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetry ny andro tamin’ny alalan’ny Foibe famantarana ny toetry ny andro.
Azo entina mandehandeha ity fitaovana ity ary hampiasaina manokana ho fanatsarana ny fahalalana momba ny fahalotoan’ny rivotra ateraky ny fifamoivoizana eto an-dRenivohitra.
Ahafahana mamantatra tsaratsara kokoa ny loharanon’ny fahalotoan’ny rivotra sy manatsara ireo paikady hampihenana ny fahalotoan’ny rivotra an-tanàn-dehibe ny teknolojia vaovao toy itony.
Mamoaka fampahalalana momba ny tahan’ny fahalotoan’ny rivotra tsy tapaka sy ny Vina ho an’ny telo andro ho avy ny Meteo Madagasikara ahazoan’ny tsirairay mandray fepetra.
Vonjy