fitokonana teny Ankatso : zandary voatora-bato teo amin’ny teta-masony

Naratra voan’ny tora-bato teo amin’ny teta-masony, ny zandary iray nandritra ny fitokonan’ny mpianatry ny Oni­versite an’Antananarivo, teny Ankatso, omaly. Nidina an-dalam-be, nitsoaka kiririoka nanohy ny fihetsiketsehany ireo mpianatra. Raikitra ny tora-bato nataon’ireo mpianatra nanoloana ny mpitandro filaminana. Niezaka nifehy ny fandriampahalemana teny amin’ny manodidina ny zandarimaria, ny maraina. Voa­to­raky ny vato nataon’ireo mpianatra anefa ny zandary iray ka naratra mafy. Fotoana vitsy taorian’io, nanatevin-daha­rana ny zandarimaria teny an-kianja ny ekipan’ny polisim-pirenena. Mpitandro filaminana iray voalaza nanao fanamiana sivily voasambotry ny mpianatra tao amin’ny faritry ny toeram-pianarana.
Niditra ny toeram-pianarana

Nanao rodobe nihazo niditra ny faritry ny toeram-pianarana ny mpitandro filaminana. Naka ilay lehilahy iray notanan’ ny mpianatra izy ireo. Nohafa­han’izy ireto farany io voalaza ho mpitandro filaminana nanao fanamiana sivily io. Marihina, takin’ireo mpianatra ny vatsim-pianarana dimy volana feno miampy ny fampitaovana sy ny fanatsarana ny kalitaon’ny “connexion”. Miantso ny fitondram-panjakana hijery ifotony ny fahazoan-drano madio eny amin’ny faritry ny Oniversite koa izy ireo.

Tsiferana R.

Partager sur: