Nanomboka ny alakamisy ka haharitra telo andro ny hetsika «Grand salon économique de Madagascar», andiany voalohany, karakarain’ ny Union Madagascar izay atao eny amin’ny araben’ny fahaleovantena Toamasina. Tafiditra ao anatin’ny fampiroboroboana ny toekarena ao an-toerana izany noho izy mampivondrona ireo mpandraharaha rehetra amin’ny toerana iray. Anisan’izany ny fadin-tseranana malagasy izay nitondra ny vokatra farany nataony. Ao anatin’izany ny fahombiazan’ny fomba fiasa ny fampiasana ny teknika ny «Scanning Intelligent» izay mitondra fanovana sy mampihena ny fotoana lany amin’ny fitiliana entana. Hanamora ny fifanakalozana sy hampiroborobo ny tontolon’ny varotra sy ny fandraharahana ihany koa ireto fitaovana vaovao ireto, araka ny nambaran’ ny tomponandraikitra iray ao amin’ny fadin-tseranana.
Toekarena
«Renivohitry ny toekaren’i Madagasikara i Toamasina, antony nanaovana ny Grand salon économique de Madagascar ao an-toerana», hoy ny mpikarakara ny hetsika, Andriamamonjy Stella. Nambarany fa nisy ny fifanakalozana sy ny fampitomboana ny «réseautage» eo amin’ny samy mpandraharaha. Ankoatra izay, nahitan’izy ireo lalam-barotra samihafa ihany koa ny hetsika. Fantatra fa mbola hotohizana any amin’ny faritra hafa ny hetsika “Grand salon économique de Madagascar”.
Henintsoa Hani