INDRAY MIJERY

Mila mpampivelona 900 000 maneran-tany mba haha­fahana manavotra aina 4 tapitrisa mahery satria maro ny asa sahaniny, manomboka eo amin’ny fandraisana an-tanana ny fisafoana, ny fampiterahana ary ny fanaraha-maso ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza vao teraka. Afaka manoro hevitra amin’ny fomba fandrindram-piterahana mety amin’ireo mpivady koa izy ireo.

Ho fanamafisana ny rafi-pahasalamana misy, notolorana «moniteur de surveillance» roa ny CHRD Miandrivazo, izay nampiasaina avy hatrany anatin’ny hetsika ara-pahasalamana maimaimpoana isan-karazany tontosaina any an-toerana. Ankoatra ny fizaham-pahasalamana ankapobeny, misy fandidiana maimaim­poana ho an’ny mponina koa ao amin’ny distrikan’ny Miandrivazo sy ny manodidina.

Tontosa ny Focus Group niarahana tamin’ireo olona manana fahasembanana tao amin’ny faritr’i Matsiatra ambony, anatin’ny tetikasa M’Iray sahanin’ny fikambanana Autisme Madagascar. Vita koa ny an’ireo mpitsabo, infirmiera, rasazy, mpanabe mandray an-tanana azy ireo, mahakasika ny tontolon’ny fahasalamana ara-pananahana.

Partager sur: