Hotanterahina anio sy rahampitso ary ny 12 mey ho avy izao ny lalao ampahavalon-dalan’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, “Telma coupe 2024”, taranja baolina kitra. Anisan’ny fihaonana tena andrasan’ny maro, ny fifanandrinan’ny AS Fanalamanga sy ny Ajesaia Bongolava. Lalao izay hotontosaina anio, eto Antananarivo.
Mbola manala vela ny ekipan’i Bongolava amin’ity fihaonan’ny roa tonta ity. Tsiahivina fa nomontsanin’ny AS Fanalamanga tamin’ny isa mavesatra 6 no ho 0 ny Ajesaia, nandritra ny andro fahadimin’ny fifaninanam-pirenena « Pureplay Football League (PFL) ». Tsara ny mampahafantatra fa izay mahazo ny amboara amin’ity, hanao ny « Super Coupe » amin’ny Elgeco Plus, tompon’ny amboara farany. Izay mivoaka mpandresy amin’izany no hisolontena an’i Madagasikara amin’ny fiadiana ny amboaran’ny kaonfederasiona. Tsara marihina fa raha mbola ny Elgeco no mahazo izany, tsy misy ny Super Coupe.
Fitia Randria
Fandaharan-dalao :
Antananarivo
04/05/2024
CFFA vs Dato FC
Ajesaia vs AS Fanalamanga
Uscafoot vs Mama FC
05/05/2024
Antananarivo
Disciples FC vs Cosfa
Toliara
3FB Toliara vs Zanakala FC
Fianarantsoa
FC Ilakaka vs Inate FC Rouge
12/05/2024
Antananarivo
Elgeco Plus vs ASED Diana
Ambanja
ASA Diana / FC Landrique vs Fosa Junior FC