Jiolahy iray matin’ny fitsaram-bahoaka tao Andranomadio Toamasina, afakomaly. Raim-pianakaviana iray no niharan’ny fanendahan’io jiolahy io ka nahatezitra ny fokonolona…
Mirongatra ny vaky trano sy fanendahana ao amin’ny fokontany Andranomadio Toamasina. Lasibatry ny jiolahy hatrany ny akoho amam-borona sy ny entam-barotra, hatramin’ny lamba miahy eo an-tokontany aza, lasa daholo, araka ny fanazavan’ireo niharam-boina. Ny alakamisy misasakalina teo, nahazo antso ny zandary fa misy andian-jiolahy manendaka ao amin’io fokontany io. Raim-pianakaviana iray nendahin’ireo jiolahy. Raikitra ny fifanenjehana ka jiolahy iray tratran’ny fokonolona mialoha ny nahatongavan’ny zandary. Niharan’ny fitsaram-bahoaka avy hatrany io jiolahy tratra io. Raha ny tatitra nampitain’ireo olona nentin-katezerana, jiolahy efatra no tompon’antoka tamin’ity fanendahana fa tafatsoaka ny telo raha niharan’ny fitsaram-bahoaka kosa ny iray. Nambaran’ny kaomandin’ny vondron-tobim-paritry ny zandarimaria Toamasina, ny Chef d’escadron, Ramanatsafera Arthur, fa jiolahy efa mpamerin-keloka ity jiolahy ity saingy tsy mijanona ela any am-ponja. Tsy vitan’izay fa mandrahona olona hatrany isaky ny mivoaka ny fonja ary milaza fa tsy voagadra izany. Izany rehetra izany no antony nampatezitra ny olona ka antony nahatonga izao fitsaram-bahoaka izao.
Tsy misy sahy mitory ireo jiolahy…
Raha ny fanadihadiana natao tamina mpitsara mpamoaka didy iray momba ny fivoahana voafonja, nilaza izy fa 75 isan-jaton’ireo raharaha hitsarana ireny mpanendaka ireny dia tsy misy fijoroana vavolombelona. Ny mpitory tsy tonga manatrika ny fotoam-pitsarana. Tokony hatrehin’ny mpitory sy ny vavolombelona hatrany ny fotoam-pitsarana. Miankina amin’izay anefa no hakana fanapahan-kevitra
eo amin’ny didy havoakan’ny fitsarana, araka ny nambarany. Matetika anefa fantatr’ireo jiolahy ny tsy fahasahian’ny mpitory sy ny vavolombelona hiatrika azy mandritra ny fotoam-pitsarana izay ka hararaotiny.
Sajo/J.C