Hifantoka amin’ny lalao rugby, hiadiana ny ho tompondakan’i Afrique (CAN 2024), sokajy vehivavy, avokoa ny sain’ny mpitia fanatanjahantena anio. Hotanterahina eto Madagasikara ny fiadiana ny tapakila hiatrehina ny “Mondial 2025”.
Hanomboka anio sabotsy, etsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, sokajy vehivavy, taranja rugby lalaovina olona 15 (Can 2024). Hiady lohany amin’izany ireo firenena efatra dia i Madagasikara, i Cameroun, i Kenya ary Afrique Atsimo.
Anisan’ny lalao andrasan’ny rehetra ny fifandonana eo amin’i Madagasikara sy i Kenya, eo amin’ity andro voalohany ity. Tsy ankitsitsy fa ratsy toerana izay resy eo, noho izany, hiendrika famaranana kely ny lalaon’ny roa tonta. Hanala vela amin’ity ny tovovavy malagasy, izay resin’i Kenya tamin’ny taon-dasa. “Vonona izahay ary efa namboarina ny lesoka tsy nety tamin’ny taon-dasa. Tombony ho anay rahateo ny milalao eto amintsika nefa tsy vitanay irery io baolina io fa mila anareo mpijery sy mpanohana”, hoy i Fenitra kapitenin’ny Makis Ladies.
Tsotra kosa ny an-dry zareo Kenya, hitazona ny fandresena efa azony. Nolazain’i Natacha Emali, kapiteniny fa “tsy hanova ny fomba filalao izahay fa toy ny mahazatra ihany saingy hiampy zava-baovao, amin’io lalao hikatrohana amin’ny Makis io”.
Hanokatra ny fihaonana i Cameroun sy i Afrique Atsimo. Ry zareo Afrikanina tatsimo, tompondaka tamin’ny taon-dasa, heverin’ny rehetra fa manana herijika amin’ity, saingy nilaza ny tovovavin-dry zareo Camerounaise fa tsy misy ekipa azo hamaivanina ary vonona izy ireo ny handresy izay rehefa mihaona aminy.
Hiady avokoa, araka izany, ireo lalao roa hotanterahina rahampitso sabotsy. Tsiahivina fa hiatrika ny “Mondial 2025”, ireo ekipa roa voalohany amin’ity “Can 2024” ity.
Tompondaka