Toeram-piofanana ho mpanao gazety : hiara-kiasa ny GEPIMM sy ny AMFM

Nanatontosa soniam-piarahamiasa ny GEPIMM sy ny AMFM, omaly. Tanjona ny hanampiana sy hanofanana mpanao gazety ho matihanina eto Madagasikara.

Nanao sonia fiaraha-miasa ny Groupement des éditeurs de presse d’information mul­timédia de Madagascar (GEPIMM) sy ny fikambanana Actions médias francophones Madagascar (AMFM), omaly, tetsy Antanimena. Tanjona ny hananganana toerana hanofana mpanao gazety matihanina eto Madagasikara. « Manana anjara andraikitra lehibe eo amin’ny ton­tolon’ny haino aman-jery ny fampahalalam-baovao, ezaka sy laharam-pahamehan’ny Gepimm ny fanavaozana tsy tapaka ny fala­lana sy ny fahazain’ny mpanao gazety eto Madagasikara », hoy i Loïc Hervouet, filohan’ny AMF Inter­national.
Efa niara-niasa nandritra ny 12 taona mahery ny GEPIMM sy ny ONG Actions médias francophones internationales (AMF International). Izay nahatonga ny fikambanana AMFM, izay mise­hatra amin’ny fanofanana ny mpanao gazety eto amin’ny Nosy. Maherin’ny 50 ny fiofanana notanterahin’izy ireo nanomboka ny taona 2014. Nahafahana namoaka mpampiofana malagasy hizaka tena mivondrona ao anatin’ny fikambanana. “Nahazoana fahombiazana tanteraka ny paikady sy ny fahaiza-manao niarahan’izy ireo niasa hatramin’izay”, hoy hatrany izy. Nohamafisiny fa manana fahaleovan-tena tanteraka miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka eo am-pizarana ny traikefa sy ny fahaiza-manaony ny mpitantana ny haino aman-jery sy ireo mpanao gazety mpampiofana.

Nanolotra fitaovana
Tonga nanatrika ny lanonana, omaly, ny filohan’ny AMF Inter­national, Loïc Hervouet. Ankoatra ny fanaovan-tsoniam-piarahamiasa, nanolotra fitaovana fandraketana, hahafahana mamokatra “podcasts” sy ny asa rehetra mahakasika ny fanaovan-gazety ihany koa izy nandritra izany. Teo ihany koa ny fanolorana boky ho an’ny mpanao gazety sy studio radio ary studio mobile hanomezana fiofanana any amin’ny faritany.

Mino

Partager sur: