Acnoa – faritra fahafito: Malagasy atleta 24 lasa any Seychelles

Niainga omaly teto an-tanindrazana, hihazo ny Nosy rahavavy Seychelles, ny delegasiona malagasy hiatrika ny lalaon’ny “Association Afri­caine des comités olympi­ques”, aty amin’ny faritra fahafito, sokajy lahy sy vavy, U18. Fifaninanana izay hotantera­hina manomboka anio, any Mahé Seychelles. Miisa 24 mianadahy izy ireo no hiatrika izany fifanintsanana izany.
Tsiahivina fa taranja efatra no andraisan’i Madagasikara anjara amin’izany. Anisan’ izany ny Beach-Volley, izay ahitana Malagasy mpilalao efatra, roa lahy sy roa vavy. Ny lomano, misy valo mianadahy, efa-dahy sy efa-bavy. Tahaka izay ihany koa ny an’ny basikety 3×3. Mpilalao efatra mianadahy ihany koa ny tenisy ambony latabatra, “Ping pong”, roa ny lehilahy ary roa ny vehivavy. Tsara marihina
fa hifanintsana amin’izy ireo any an-toerana, i Seychelles, mpampiatrano, Maurice, Djibouti, Comores. Tsara ny mampahafantatra fa hifarana ny 11 mey ho avy izao ity fifanintsanana Acnoa ity.

Fitia Randria

Partager sur: