Ny tsiokan’ny alizay no hamaritra ny toetry ny andro amin’ny ankapobeny. Ao anatin’ny volonandro ririnina tanteraka isika ato anatin’ny telo andro manaraka, araka ny fanazavan’ny foibe famantarana ny toetry ny andro, omaly. Hitovy ny maripana eto Antananarivo sy Antsirabe ary Fianarantsoa, ho an’ny anio, 14°C ny ambany indrindra ary 24°C ny ambony indrindra. Hisy fidinany ny maripana farany ambony ho an’ny ilany atsinanana.
Ny maraina, handrahona arahina erika indraindray any amin’ny ilany atsinanan’ny afovoantany. Ny tolakandro, hanorana manify na hanerika any amin’ny ilany atsinanan’ny afovoantany sy Alaotra Mangoro.
Hikorontana koa ny toetry ny andro any an-dranomasina, any amin’ny morontsiraka Atsimo Andrefana, Atsimo ary ny morontsiraka Atsinanan’ny Nosy iray manontolo vokatry ny alondrano izay hateraky ny tsioka atsimo sy ny varatraza. Hanonjabe ny ranomasina eo anelanelan’i Morombe sy ny tanjona Vohimena, nanomboka omaly hatramin’ny rahampitso. Nahazo fampitandremana amin’ny loza mety hiseho eny an-dranomasina ny tomponandraikitra.
Vonjy