Crimad : mirakitra tantara velona ny sary an-gazety

Tontosaina etsy Andavamamba, ao amin’ny Alliance française Antananarivo ny fampirantiana sary an-gazety. Hetsika maneho ny lanjan’io karazan-tsary iray io eo amin’ny fiarahamonina.

Manatanteraka fampirantiana ao amin’ny Alliance française An­tananarivo (AFT) Andava­mamba ny Fikambanan’ny mpaka sary an-gazety eto Madagasikara (Crimad). Ranty mampiseho ny lanjan’ny sary an-gazety eo amin’ny fiarahamonina. « Amin’ny ankapobeny, mampita hafatra ny sary an-gazety. Maneho ny zava-misy ihany koa », hoy i Fanou, iray amin’ireo mpikambana ao anatin’ny Crimad. Nanteriny fa mitatitra ireo tranga marina amin’ny alalan’ny sary, ho an’ny olona izay tsy nahita na nanatrika izany ny sary an-gazety. Aminy, mahalaza za­vatra maro ny sary an-gazety. Nomarihiny anefa fa tsy afaka mandeha irery ny sary an-ga­zety fa tsy maintsy mifameno amin’ny soratra izy. « Ireo re­hetra ireo, lanja lehibe ananan’ ny sary an-gazety raha jerena amin’ny ankapobeny », hoy hatrany i Fanou.

Mirakitra tantara velona

Anisan’ny zava-dehibe am­pitain’ny fampirantiana tontosain’ny Crimad ny fanehoana fa firaiketana tantara velona (tantara nisy) teo amin’ny fiarahamonina na niseho teo amin’ ny firenena. Tantara velona ho an’ny taranaka izy ireny. Azo lazaina ho vakoka sarobidy ihany koa. Ohatra, ny tantara nodiavin’ity firenena ity (fan­janahantany hatramin’izao vanim-potoana izao. Nandalo « rotaka » sy « grevy »), izay azo fantarina amin’ny alalan’ ny sary an-gazety nanomboka teo amin’ny fisian’ny asa fa­naovan-gazety teto Madagasi­kara.
Rehefa mety ho zava-misy, voarakitry ny sary an-gazety avokoa. Azo atao ho fangitra fiaingana handrefesana ny mbola miandry sy hanitsian’ny tsirairay (olona tsotra, mpanao politika, mpanakanto, mpandraharaha…) ny diany amin’ny hoavy ireny.
Asehon’ny sary an-gazety avokoa ny lafim-piainana maro: fialamboly, kolontsaina, tranga mampalahelo na mahaliana, mahafinaritra… Mbola tantara velona ihany koa izy ireny!

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: