Fahazoana mariboninahitra: Ramatoa mpisoloky, maka 35 000 Ar

Vola an-tapitrisany no efa azony! Renim-pianakaviana iray ao Toamasina no misoloky ho afaka mikarakara fahazoana mariboninahitra haingana ara­karaka ny hangatahan’ny olona. Rehefa hitany fa roboka ny olona solokiany dia mody hasehony lisitra fa hoe ireto avy ireo efa miandry sonian’ny filohan’ny Repoblika. Lazainy mihitsy aza fa hapetaka amin’ izao daty izao ny an’ireo efa mahazo. Roboka tanteraka ireo olona te hahazo mariboninahitra ka hampandoaviny vola 35 000 Ar sarany, raha te ho hafainganina izany. Vola
30 000Ar an’ny fanjakana fa ny 5 000Ar kosa an’ilay olona mpikarakara ny antontan-taratasy mba hahazoana hain­gana ilay mariboninahitra. Matetika dia manatona ireo lasibatra mihitsy izy ary mody miantso olona ao amin’ny fiadidin’ny mariboninahi-pirenena mba hisintonana mpanjifa maromaro handoa vola aminy. Telo taona aty aoriana mbola tsy hita izay marina amin’ny mety hahazoan’ireo andian’ olona efa ho am-polony maro izany mariboninahitra izany. Karohin’ny mpitandro filaminana ity ramatoa mpisoloky ity satria tsy hita izay nanjavonany hatramin’izao. Maro rahateo ireo olona efa voasolokin’ ity ramatoa milaza fa mahavita mamoaka mariboninahitra ity.

Sajo/J.C

Partager sur: