Notanterahina nanomboka ny sabotsy lasa teo, ny lalao ampahavalon-dalan’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, « Telma Coupe 2024 ». Mbola misy ireo lalao tsy vita. Anisan’ireo tafita amin’ny dingana manaraka ny Ajesaia.
Miakatra amin’ny dingan’ ny ampahefa-dalan’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, « Telma coupe 2024 », taranja baolina kitra, ny Ajesaia Bongolava. Tafavoaka mpandresy tamin’ny alalan’ny fandakana « tir au but » 4 no ho 3 nanoloana ny ekipan’ny AS Fanalamanga avy any Moramanga, izy ireo, rehefa nisaraka ady sahala 1 no ho 1, nandritra ny fe-potoana ara-dalàna. Lalao izay tafiditra amin’ny ampahavalon-dalan’ny « Telma Coupe », natao teny amin’ny Kianjan’ny Elgeco Plus By pass, afakomaly.
Raha hiverenana ny fifanandrinan’ny roa tonta, ny ekipan’ny Ajesaia no nanakobana ny harato voalohany, tamin’ny alalan’ny lohan’i Antonio, mpilalaon’ny Ajesaia. Io isa 1 no ho 0 io no nentin’ ny ekipa roa niala sasatra. Niezaka nanenjika isa ny ekipan’ny AS Fanalamanga nandritra ny fizaram-potoana faharoa, ka nahasahala ny isa teny amin’ny solaitrabe i Ricka, telo minitra tsy hiravan’ny lalao (87 min), rehefa nahazo tolotra avy amin’i Rado.
Azo lazaina fa afa-bela tamin’ity ekipa avy any Moramanga ity ny mpilalaon’i Bongolava. Efa nomontsanin’ny AS Fanalamanga tamin’ny isa mavesatra 6 no ho 0 ny Ajesaia, nandritra ny andro fahadimin’ny fifaninanam-pirenena “Pureplay Football League (PFL) 2024”.
Tsara ny mampahatsiahy fa izay mandrombaka ny amboara amin’ity, hanao ny Super coupe amin’ny Elgeco Plus, tompon’ny amboara farany. Izay mivoaka mpandresy amin’izany no hisolontena an’i Madagasikara amin’ny fiadiana ny amboaran’ny Kaonfederasiona (CCAF). Raha mbola ny Elgeco no mahazo izany, tsy misy ny Super coupe.
Fitia Randria