Hiditra amin’ny dingana ampahefa-dalana amin’ny «Poule des As», ny fiadiana ny Atsimondrano Champions League (ACL), taranja baolina kitra. Fihaonana karakarain’ny solombavambahoaka, Andry Ratsivahiny sy ny Atsimondrano action sport. Nambaran’ ny mpikarakara tamin’ny fihaonany tamin’ny mpanao gazety, ny zoma lasa teo, tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, fa hotanterahina ny alahady 12 mey ho avy izao izany.
Ireo ekipa efatra voalohany avy amin’ny faritra roa no hifaninana. Ny Tambatra FC Ambohijanaka, ny FC Samada Soavina, ny Voromahery Tsiafahy ary ny FC Loharano Fiombonana, ny avy amin’ny faritra «A». Ny RN1 Fenoarivo, ny Valence FC Andranonahoatra, ny FCB Bongatsara ary ny Zazamaola Itaosy kosa ny ao amin’ny faritra «B».
Nambaran’ny solombavambahoakan’Atsimondrano, fa mieritreritra ny ho sangany izy ireo atsy ho atsy satria efa namoaka ekipa miatrika ny fifaninanana eo anivon’ny ligin’Analamanga ny ACL dia ny Ste Anne izany. Notsiahiviny fa efa andalam-pahavitana ireo kianja «synthètiques» miisa 2 ao Atsimondrano. Marihina fa lelavola 5 tapitrisa Ar ny loka hozaraina ho an’ireo ekipa 2 voalohany. Hahazo
4 tapitrisa Ar sy amboara lehibe ny « super champion » ary 1 tapitrisa Ar ny «vice champion».
Torcelin
Kianja Ambohimamory
09 : 00 – RN1 Fenoarivo vs FCB Bongatsara
02 : 00 – Valence FC vs Zazamaola
Kianja Ambohijanaka
10 : 00 – FC Samada vs Voromahery Tsiafahy
02 : 00 – Tambatra FC vs FC Loharano