Jiolahy roa indray maty voatifitry ny polisy nandritra ny fifampitifirana tao Mahavatse Toliara, omaly tamin’ny 1ora sy 45 mn. Nandritra ny fanafihan-jiolahy tao an-toerana no nisian’ny fifandonana. Tsy mikely soroka ny polisy amin’ny famongorana ny asan-jiolahy miseholany ao Toliara sy ny manodidina. Nandritra ny fisafoana nataon’ny polisin’ny UIR no nahazoan’izy ireo loharanom-baovao momba ny fisiana andian-jiolahy mikononkonona fanafihana mitam-piadiana ao amin’ny faritra Mahavatse Toliara. Niroso tamin’ny fanaraha-maso ireo jiolahy avy hatrany ny polisy ka voamarina tokoa ny fisian’ireo olon-dratsy. Raikitra ny fifandonana tamin’ny alalan’ny fifampitifirana. Vokany, lavo ny jiolahy roa raha tafaporitsaka kosa ireo namany hafa. Tao anatin’ny famotoran’ny polisy no nahafantarana fa ry zalahy ireto no tompon’antoka tamina fanafihana mitam-piadiana tao Toliara. Mitohy ny famotorana ataon’ny polisy. Eo am-pikarohana ny naman’ireto jiolahy ireto ny polisy.
Jean Claude