Rugby vehivavy «CAN 2024»: Afa-bela tamin’i Kenya i Madagasikara

Narodan’ny Makis Ladies ny Keniana, teo amin’ny fifa­nintsanana hiadiana ny tapakila hiatrehina ny «Mondial 2025», taranja rugby, lalaovina olona 15, sokajy vehivavy. Afa-bela ny Makis Ladies. Manohy ny lalany any amin’ny fahombiazana ireo Malagasy mpilalao, ankehitriny.

Tsara fanombohana ny Makis Ladies, teo amin’ny
fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja rugby, vehivavy (CAN 2024). Resin’izy ireo, tamin’ny isa 29 no ho 22, i Kenya. Fihaonana notanterahina tetsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny sabotsy lasa teo. Afa-bela ny tovovavy malagasy, tamin’ity.
Nampitsanga-mitoetra hatramin’ny farany ny lalaon’ny roa tonta. Efa tany amin’ny fahataperan’ny lalao mantsy vao nivoaka ho mpandresy ny Makis Ladies, tamin’ny alalan’ny baolina nentin-tanana vitan’i Olivia ary voatsaran’i Jinah Kely. Raha hiverenana ny lalao, nobodoin-dry zareo Keniana ny tanin’ny Makis, hatreo amin’ny 30 mn nilalao­vana. Nitarika tamin’ny isa 12 no ho 0, ny vahiny. Nampiasa ny baolina alaina amin’ny alalan’ny touche sy ny tosika ao anaty mêlée izy ireo.
Efa tany amin’ny 30 mn vao taitra ny Makis ka nam­piasa ny tolotra haingam-pandeha notarihin-dry Ericka sy Laurence, nampian-dry Claudia. Nahitam-bokany izany satria nahatsindry baolina izy ireo saingy tsy voa­tsara. Nentin’ny roa tonta niala sasatra io isa 12 no ho 5 io.
Nitarika …

Fizaram-potoana faharoa, nanafaingana ny lalao ny Makis ka nahatonga baolina nentin-tanana indroa nisesy, saingy ny iray ihany no voatsara. Nitarika tamin’ny isa 17 no ho 12 ny Makis. Tsy ela anefa ny valin-kafatra, nahazo essai i Kenya, saingy tsy voatsara. Taorian’io, tafaporitsaka indray i Sosoa ka nanindry baolina ho an’ny Makis, saingy tsy voatsara ka lasa 22 no ho 17. Nosa­halain’i Kenya izany rehefa nahatsindry baolina izy ireo, izay tsy voa­tsara ka 22 no ho 22 ny isa. Naneno ny «gong» avy eo, mbola nanafika i Kenya. Votsotra tany amin’izy ireo anefa ny baolina ka lasan’ny Makis, tsy nijanona raha tsy essai. «Taraiky vao tafiditra tao anaty lalao ny Makis. Vao nahazo ilay hafainganana dia ireny ny vokatra. Mbola misy ny lesoka harenina, hiatrehana an’i Cameroun», hoy i Alain, mpanazatra. Teo amin’ny lalao voalohany, resin’i Afrika Atsimo, tamin’ny isa 55 no ho 0 i Cameroun. Hitohy amin’ ny alarobia ny andro faharoa, ka hifampitana i Kenya sy i Afrika Atsimo ary i Mada­gasikara sy i Cameroun.

Tompondaka

Partager sur: