SOMBIM-BAOVAO

Mifarana anio ny fifaninanana basikety 3×3, lahy sy vavy “Shoot out”, andiany faharoa izay natao tany Antsirabe, nanomboka ny 1 mey lasa teo. Nahavory olona maro ny fifanintsanana. Betsaka ireo sokajin-dalao natao tany an-toerana, toy ny fifaninana mibala isa telo, “Dunk”. Tsia­hi­vina fa niarahan’ny ligin’i Vakinankaratra sy ny Federasiona malagasin’ny Basikety FMBB nikarakara ny “Shoot Out”.

Misaona ny tontolon’ny baolina kitra malagasy. Nodimandry ny sabotsy 4 mey, teo amin’ny faha 61 taonany, i Mohamed Ibrahim na i Goly Betanana, Mala­gasy mpiandry tsatoby. Tsiahivina fa efa nandrafitra ny ekipam-pirenena malagasy Club M izy. Maro ny klioba nolalovany, anisan’izany ny Club Pêcherie de Nosy Be, AS Sotema Mahajanga.

Voahosotra ho tompondakan’i Espagne, “La Liga”, ny ekipan’ny Real Madrid, afakomaly alina. Lavon’izy ireo tamin’ny isa 3 no ho 0 ny Cadix, tany San­tiago Bernabeu. Eo amin’ny laharana faharoa ny Girona ary fahatelo kosa ny FC Barcelone. Tsiahivina fa in-36 amin’ity ny Real Madrid no tompondakan’i Espagne.

Partager sur: