TSELATRA

Telo mianaka nandeha moto scooter nasosan’ny fasika tamin’ny arabe teny amin’ny lalam-pirenena voalohany, teny Imerintsiatosika, omaly. Naratra ilay mpitondra moto. Tsy nahina ny fahasalaman’izy telo mianaka.
Maty tsy tra-drano ny iray tamin’ireo mpitondra moto roa nifandona teny Manjaka Ilafy, afakomaly hariva. Samy nandeha mafy ny roa tonta ka potika tanteraka ireo moto roa. Ankoatra io namoy ny ainy io, nentina namonjy hopitaly ny iray izay tena voa mafy.
Voasambotry ny fokonolona sy ny mpitandro filaminana ny lehilahy iray nanolan-jaza miisa roa tao Marovoay, ny faran’ny herinandro teo. 4 taona sy 5 taona ireo zazavavy niharan’ny filan-dratsin’io lehilahy mpitari-posy io. Atao famotorana eny anivon’ny biraon’ny polisy izy alohan’ny hitondrana azy eny anatrehan’ny fampanoavana.

Partager sur: