Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy omaly, teny amin’ny minisiteran’ny Foloalindahy (MFA), Ampahibe ny fanomanana ny fankalazana ny faha-64 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara sy ny nijoroan’ny Foloalindahy…
Ny minisitry ny Foloalindahy (MFA), ny Jly Sahivelo Lala Monja Delphin, no nitarika ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fotoam-pivoriana hanomanana ny fetim-pirenena, 26 jona 2024. Nanotrona azy ny minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny contrôleur général de police, Rakotoarimanana Herilala, ny minisitra delege misahana ny Zandarimariam-pirenena, ny Jly Rakotondrazaka Andry. Nandray anjara tamin’izany koa ireo tomponandraikitra avy amin’ny Andrimpanjakana sy ny minisitera ary ireo rantsa-mangaika samihafa, solontena ao anatin’ity komitim-pirenena ity, manomboka amin’ny fiadidiana ny Repoblika hatramin’ireo sampandraharaha maro. Hanana ny mampiavaka azy ny fanamarihana ny fetim-pirenena amin’ity taona 2024 ity satria hisy ireo zava-baovao hoentina hanentanana ny vahoaka, hanehoana ny hambom-po sy ny fitiavan-tanindrazana. « Feno 64 taona ny fahaleovantena sy ny fijoroan’ny Foloalindahy. Izany no anton’izao fivoriana voalohany iarahan’ny komity sy ny mpikarakara izao. Anehoana ny fitiavan-tanindrazana ny hetsika rehetra isaka ny renivohi-paritany manerana ny Nosy », hoy ny MFA. Ny Jly Rakotondramanana Jimmy Clarck no voatendry ho filoha hitarika ny komitim-pirenena mpanomana ireo hetsika rehetra manerana ny Nosy. Araka izany, hiroso avy hatrany amin’ny famolavolana ireo seho samihafa ny komity manomboka izao. Hisy ny fampahafantarana hampitain’izy ireo matetika amin’ny vahoaka mba hizoran’izany fankalazana izany ao anatin’ny filaminana.
Jean Claude