Tsy nahatsiaro tena teo no ho eo ny mpitondra scooter iray tra-doza teny amin’ny lalan’Ambohitrimanjaka, omaly maraina. Voa mafy ny lohany. Nifandona tamin’ny fiara tsy mataho-dalana ka tsy nahatsiaro tena io lehilahy iray nitondra moto scooter teny amin’ny lalana mihazo an’Ambohitrimanjaka io, omaly maraina. Nandeha mafy ilay mpitondra kodiaran-droa ka nifanehatra tampoka tamin’ny fiara 4×4. Tsy nahafehy intsony ny familiana ilay mpitondra moto ka niafara tamin’ ny loza. Vokany, naratra mafy teo amin’ny faritry ny lohany ity farany. Nifanome tanana namonjy azy ireo mpandalo teny amin’ny lalana mampitohy an’Ambohitrimanjaka sy Digue Ambodihady. Nidina ifotony nandray an-tanana ny fanadihadiana ity raharaha ity ny polisy. Notanana atao famotorana ny mpamilin’ilay fiara, araka ny angom-baovao voaray tamin’ny fotoana nanoratana. Noraisina am-bavany koa ny renin’ilay lehilahy nitondra moto Kymco Jr tra-doza.
Miady amin’ny fahafatesana
Hatramin’ny omaly alina nanoratana, mbola miady amin’ny fahafatesana ilay lehilahy niharan-doza, araka ny loharanom-baovao hatrany. Tsy vitan’ny very ra be loatra izy fa tena voa mafy teo amin’ny faritry ny lohany. Manao izay ho afany hitsaboana azy ny mpitsabo eo anivon’ny sampana vonjy taitran’ny hopitaly HJRA. Tsiahivina, miseholany nandritra ny faran’ny herinandro teo, ny lozam-pifamoivoizana ka ireo kodiaran-droa no tena lasibatra.
Anisan’izany, ilay mpitondra moto nifandona tamin’ny fiara 306 teny Makis Andohatapenaka, afakomaly hariva, ka naratra mafy ihany koa.
Tsiferana R.