Banky iraisam-pirenena: ho manodidina ny 4,6% ny tahan’ ny fitomboan-karena

Anisan’ny firenena mahantra i Madagasi­kara. Tokony hihatsara anefa ny toekarena ho an’ny taona 2024-2026 raha omen-danja ny fampiasam-bola tsy miankina amin’ny harena an-kibon’ny tany, ny angovo, sns.

Namoaka tatitra ny Banky iraisam-pirenena, ny avrily 2024 teo, manodidina ny fahantrana aty Madagasikara. Tsy mihetsika manodidina ny 79,7% ny tahan’ny fahantrana ho an’ity taona 2024 ity. Antony, tsy voafetra ny asa niforona mihoatra amin’ny fitomboan’ny isan’ny mponina. Miisa 24,8 tapitrisa ny Malagasy miaina anaty fahantrana.
Etsy ankilany, nihena ho 3,1% amin’ny harinkarena faobe (PIB) ny tsy fahampian’ny tetibolam-panjakana ho an’ny taona 2024-2026. Satria, hitombo ny vola hiditra, indrindra ny fanondranana harena an-kibon’ny tany. Hanome tosika an’izany ny fivoahan’ny lalàna vaovao mifehy ny harena an-kibon’ny tany sy ny fiverenan’ny tetikasa fampiasam-bola vaventy. Hitombo ny mpizahatany, ary eo koa ny fihenan’ny vidin-tsolika. Noho ireo, vinavinaina tsy hihetsika manodidina ny 4,6% ny fitomboan-karena ho an’ny taona 2024.
Fampiasam-bola tsy miankina
Anisan’ny nisongadina tao amin’ity tatitra ity, fa natao ankilabao hatramin’izay ny any amin’ny tapany atsimon’i Mada­gasikara, izay ianjadian’ny fiovan’ny toetr’andro sy ny loza voajanahary. Tsy nisy politikam-pampandrosoana maharitra ny any Atsimo Andrefana, Anosy ary Androy, tato anatin’ny 10 taona farany. Miaina anaty fahantrana ny 91% ny mponina, anisan’ny tara indrindra ny eto Madagasikara.
Vahaolana aroson’ny Banky iraisam-pirenena ny fametrahana lasitra politikam-pampandrosoana ara-toekarena mafonja sy maharitra. Omena vahana ny fampiasam-bola tsy miankina, afaka mifaninana amin’ny hafa. Anisan’ny sehatra hitondra fampandrosoana ny harena an-kibon’ny tany, ny fifandraisan-davitra, ny angovo, mba hialana amin’ny fahantrana toy izao.
Misy ny fiaraha-miasa vaovao eo amin’i Madagasikara sy ny Banky iraisam-pirenena 2023-2027.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: