BFM: hampahafantatra ny vola malagasy

Maro karazany ireo hetsika nanamarihana ny faha-50 taonan’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM). Ankehitriny, miditra amin’ny dingana farany izy ireo, raha nanomboka ny 12 jona 2023 teo ny fankalazana. Manomboka androany ka hatramin’ny 18 mey ny varavarana misokatry ny BFM ho an’ny daholobe izay atao amina toerana telo eto an-drenivohitra, eny Analakely, Ankatso ary ao amin’ny efitranon’ny Kianja Barea Mahamasina. Misy ny fampirantiana sy famelabelaran-kevitra samihafa mandritra ireo fotoana ireo. Horesahina mivantana momba ny tsena ara-bola izay hiarahana amin’ireo manam-pahaizana avy any ivelany. Hovelabelarina ao anatin’izay ny tombontsoa ho an’ny firenena, ny politika momba ny fitantanam-bola ary ny toekarena malagasy. Hanentana ny mpiara-belona ihany koa ny BFM amin’ny fanajana ny vola. Nilaza ny governora ny BFM, Andrianarivelo Aivo Handriatiana, omaly, tetsy Analakely, nandritra ny lanonam-panokafana ny fampirantiana fa « tonga eto Madagasikara ny orinasa mpanonta vola ka hitondra fanazavana mahakasika ny dingana amin’ny fanontana ny vola malagasy ».

Taha
Voaboasana mandritra ny hetsika ny momba ny Taha miantoka ny herin’ny Ariary (Taha), hoy hatrany ny fanazavana voaray. Ho fantatra mandritra ny roa herinandro hanaovana ny hetsika ihany koa ny valim-panontaniana rehetra mahakasika ny lohahevitra maro samihafa. Tsiahivina fa fototra iorenan’ny fampandrosoana ny sehatry ny toekarena ny fahaizana mitantam-bola. Ilaina ny fanabeazana sahady ny ankizy sy ny tanora amin’ny fandraharahana ara-bola sy hananany hoavy mamiratra eo amin’ny sehatry ny toekarena.

Henintsoa H.

Partager sur: