Antoka ho an’ny fampitomboana ny voly sy manome otrikaina ho an’ny zavamaniry ny zezika ranony. Miaro amin’ny bibikely samihafa izy, « bio », no tsy atahorana hiantraika amin’ny fambolena.
Mivoatra hatrany ny tontolon’ny famokarana zezika eto amintsika, toy ilay zezika ranony izay sady mampitombo sy manome otrikaina no miady amin’ny bibikely samihafa mety hanimba ny vokatra. « Niainga tamin’ny fanandramana sy traikefa azo ary ny filan’ny zavamaniry no nanamboarana ny vokatra », hoy Andry, tomponandraikitra ara-barotry ny orinasa Gasy Grow. Solona zezika toy ireo fampiasa andavanandro , tombony ho azy, izy mamono ireo bibikely samihafa, hoy ny fanamarinany. Vita avy amin’ny akora fampiasa andavanandro toy ny tain-kafe, hoditra akondro, voandelaka ary ireo legioma samihafa ny zezika ranony. « Bio » tanteraka izy ka tsy atahorana hanimba ny voly. Ankoatra izay, azo ampiasaina mandavantaona ny zezika ranony, indrindra amin’ny vanim-potoana ririnina, fotoana ilain’ny fambolena otrikaina, ahafahany mitombo ara-dalàna.
Karazany
« Mbola vitsy ny tantsaha liana amin’ny fampiasana ny zezika ranony noho izy ireo mbola manaraka ny fomba nentim-paharazana ka be ahiahy loatra », hoy hatrany i Andry. Tsara ho an’ny mpamokatra, hoy izy, io zezika io satria mora ampiasaina sy mampihena ny fandaniana maro samihafa. Ankilany, misy karazany ny zezika vokarin’ny Gasy Grow ka ampy amin’ny filan’ny voly . Misy ny « Actifleur » mampamelana ny voninkazo, ny Activert manamaitso sy mampandrobona ny legioma rehetra, raha mampamoa ny zava-maniry misy voany kosa ny « Actifruit ». Manampy ireo rehetra ireo ny AntiInsect natokana ho an’ny voly misy bibikely izay mamono azy avy hatrany. Natao ho an’ny voly misy lagaly, champignons sns kosa ny « AntiFongique ». Mety ho an’ny fambolena rehetra kosa ny ActiGrow, misy ny otrikaina sy miaro amin’ny bibikely ary miaro azy amin’ny aretina samihafa. Maharitra hatrany amin’ny telo andro ny fanamboarana (fermentation) ny zezika ranony. Tsy atahorana ho simba izy na mipetraka mandavantaona aza ary tsy miantraika amin’ny zavamaniry
Henintsoa Hani