FANTINA sy FINTINA

Nahazo taratasy fanesorana azy ireo sefo fokontany miisa 14 eo anivon’ny boriborintany fahefatra. Voalaza ho manana ny firehana politikany manokana ka mampanahy amin’ny fiandaniana izy ireo, araka ny taratasin’ny sefo distrika. Nanao fitaraina eny anivon’ny fitsarana izy ireo, manoloana izany.

Notoloran’ny kandidà avy amin’ny Kolekitifa Avaradrano akanjo vaovao hoenti-miasa avokoa ireo mpitsabo rehetra amin’ireo toeram-pitsaboana eo anivon’ny kaominina miisa 16, mandrafitra ny distrika. “Ny kely vitanay no hifanampiantsika. Mba zavatra maharitra kosa anefa ny anay ary mitsinjo ny maha olona hatrany”, hoy ny kandidà Andrianainarivelo Hajo.

Mbola nanamafy ny fahitany tsy fanarahan-dalàna ny KMF/Cnoe tamin’ny fanaraha-maso nataony amin’ny mialoha ny fifidianana. Anisan’izany ny fampiasan’ny kandidà fitaovam-panjakana na fahefam-panjakana na faneriterena mpiasam-panjakana. Fano­loana sefo fokontany tsy manaraka ny lalàna ary ny fametahana afisy sahady…

Homarihina amin’ny alalan’ny gadon-kira Hip-Hop ny fampahafantarana ny demokrasia sy ny fahalalahana maneho hevitra eto amintsika. Hatao eny amin’ny oniversiten’Antananarivo, ny 10 mey izao izany, mi­araka amin’ny FES sy ny fakiolten’ny lalana sy ny siansa politika eny Ankatso ary ny Kolontsaina mainty.

Partager sur: