Fiaraha-miasa: dingana vaovao iarahana amin’ny FMI

Vita ny iraky ny Tahirim­bola iraisam-pirenena (FMI) teto Ma­dagasikara, nandritra ny he­rinandro maromaro. Nisy ny tatitra natao mahakasika izany, niarahana tamin’ny mpikambana sasany ao amin’ ny governemanta, notarihin’ny minisitry ny Toekarena sy ny tetibola, Rabarinirinarison Ha­simbelo sy ny FMI, ny zoma 3 mey teo.
Nifantoka tamin’ny Fam­pindramam-bola nohamoraina (Fec) sy ny Tahirimbola hiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro maharitra (FRD) ny tatitra. Dingana vaovao ho an’ny fiaraha-miasan’ny FMI sy i Mada­gasikara izany. Mifandray izy roa ireo. Tapitra amin’ny jolay ho avy izao ny fe-potoan’ny Fec, nanomboka tamin’ny taona 2021. Nangataka hanohizana azy, mandritra ny 18 volana, i Madagasikara satria misy ny fanamby tsy maintsy hiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro, nametrahana ny FRD.
Fepetra nangatahin’ny FMI ny hametrahan’i Madagasikara paikady matipaika ho an’ny 18 volana, vao ho afaka mivoaka ny vola amin’ny FRD.
Haroso eny anivon’ny fi­lankevi-pitantanan’ny FMI ity so­sokevitra mahakasika ny Fec sy ny FRD ity mialoha ny fa­ran’ny volana jona 2024 izao.

Njaka A.

Partager sur: