Foloalindahy: manome lanja ny teny anglisy

Manome lanja ny fifehezana tenim-pirenena vahiny, ahafahan’ireo miaramila mivelatra amin’ny sehatra maro eo amin’ny famitana iraka marolafy, ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fo­lo­alindahy. Hanomboka rahampitso ny dingana voalohany, han­dalina izany ny avy eo anivon’ny Vondrona mpiaro ny Filoha, eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika, sy ireo miaramila mpitsabo ary mpiasa sivily ao amin’ny Hôpitaly miaramila Soavinan­driana. Hanaraka ny fandaharam-pianarana miteny anglisy izy ireo mba ho fanatevenana ny fahaiza-manaony. Zava-dehibe ny fahaizana mifehy ny tenim-pirenena hafa. Tafiditra amin’ny paikady en­tin’ny minisitera mampitombo ny traikefan’ireo miaramila, ka ma­namora ny asa fiarovana izany. Toy izany koa ireo manamboninahitra ambony avy eo anivon’ny fiadidina ny Re­poblika, notarihin’ny jeneraly Raso­lon­draibe Jean Yves, Tale misahana ny Fiarovana ny Filoha eo anivon’ny fiadidina ny Repoblika. Ny Masoivohon’i Etazo­nia miasa sy monina eto Ma­dagasikara no efa mpiara-miombon’antoka amin’ity fampianarana ity.

Jean Claude

Partager sur: